Fampianarana

ECCOVA Nahavita ny fanadinana ara-panjakana ny mpianatra


  • Sabotsy 20 Mey 2017

Toy ny fanaony isan-taona dia nahavita ny fanadinana ara-panjakana andiany faharoa tamin’ity taona 2017 ireo mpianatra eo anivon’ny Ecole de Coupe et Couture Volana.

Omaly no nifarana ny fampiharana ka ny fampijoroana ny akanjo tohin-tena no nanadinana ny mpianatra. Sambany no  nandray anjara ireo mpianatry ny Eccova Antalaha sy Nosy be sekoly vao nisokatra tamin’ity taona 2016 ity. Nambaran-dRazanamanalina Volana, filoha mpanorina ny sekoly  fa tena  nahafa-po ny vokatra azo. Nahatratra 380 isa  mantsy ireo mpianatra nandray anjara manerana ny Nosy. Ny 23 jona ho avy izao no havoaka amim-pomba ofisialy ireo mpianatra eto Antananarivo izay hitohy any amin’ny Faritra avy hatrany.  Efa miomana tanteraka amin’ny  “cours de vacance” izy ireo izay hiditra amin’ny volana jolay ho avy izao.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT