Miezaka hatrany ny Ecole de Coupe et Couture Volana manampy ireo mpiray tanindrazana vonona ny hanandratra avo ny asa tanana Malagasy.
Na dia mitobaka aza mantsy ny friperie dia tsy latsa-danja amin’ireny ny zaitra akanjo vitan’ny Malagasy satria asa mivoatra hatrany noho ny asa famoronana hampianarina ny mpianatra. Niatrika fanadinam-panjakana avokoa omaly ireo sekoly mampianatra zaitra eto amintsika nahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana. Anisan’ireny ny “Ecole de Coupe et Couture Volana” manerana ny Nosy, ka mpianatra 460 mianadahy no indray niatrika avy amin’ny ivontoerana miisa 16. Araka ny fantatra dia patalohan-dehilahy mihaja no nanaovan’izy ireo fampiharana izay nomarihin-dRazanamanalina Volana, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny ECCOVA fa tena sarotra tokoa, satria na dia ireo mpanjaitra efa matihanina aza sahirana rehefa mandidy sy manangana azy. Fahombiazana tanteraka anefa ny fiatrehana izany, ho an’ireo mpianatry ny ECCOVA manerana ny Nosy. Ny 02, 04 ary 05 jona ho avy izao indray ny fidirana manaraka, ho an’ireo mpianatra izay liana tsy hanavahana sokajin-taona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.