Fampianarana

DREN Vakinankaratra Atahorana ho taona fotsy ny amin’ity 2018 ity


  • Talata 03 Jolay 2018

Vao maraina dia nifamotoana teo amin’ny tokotanin’ny DREN Vakinankaratra toy ny mahazatra ireo mpianatra an’arivony omaly.

 

Nambaran’ireo mpampianatra sy ny mpitarika hatrany fa tsy tompon’antoka amin’ny mety hisian’ny “taona fotsy” izy ireo fa ny mpitondra fanjakana no tompon’antoka ka izany no nivoahan’izy ireo ny faritra nanaovana fitokonana mba ho hitan’ny rehetra fa maro an’isa ireo mpampianatra atao tsinontsinona ireo, hoy Atoa Ratovonjanahary Njakasoa Robert. Nambarany mantsy fa vao in-dray andro monja ny mpitatitra no nitokona dia nivaly ny fangatahany, kanefa ny mpampianatra dia efa ho 3 volana izay, kanefa tsy mbola nisy valiny fa fampanatenana poakaty foana no azon’izy ireo. “Satria ve tsy dia misy ilana azy ny mpampianatra no tsy asiana valiny ny fangatahanay ?”, hoy hatrany izy ireo. Nanamafy moa ireto mpampianatra ireto, fa raha tsy misy valiny sy fiantraikany amin’izy ireo ato anatin’ny 2 herinadro izany dia ho taona fotsy tokoa ity taona ity, ho an’i Vakinankaratra indrindra indrindra. Tsy tao Antsirabe ihany fa nisy ihany koa ny hetsika tany Antanifotsy, Faratsiho,…

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT