Fampianarana

DREN Bongolava Hatsangana ny klioba miady amin’ny herisetra


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Mihamahazo vahana ny herisetra hatao amin’ny ankizy eto amintsika. Samy

 

 

miezaka mandray fepetra mifandraika amin’izany avokoa ny rehetra ka ho an’ny DREN Bongolava dia fantatra fa hatsangana eny anivon'ny sekoly tsirairay avy ny klioba miady amin’ny herisetra ahitana ny mpampianatra, mpianatra, Ray aman-drenin’ny mpianatra ary ny solontena avy ao amin'ny polisim-pirenena. Nivoitra izany taorian’ny nidina nifanaovan’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka sy ny kaomisera ao Tsiroanomandidy hametrahana paikady iombonana ; hiadiana amin'ny fanolanana sy ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy. Maro moa ireo karazana paikady hapetraka amin'izany toy ny ady hatao amin'ny fidorohana zava-mahadomelina, sy ny fiparitahan'ny horonan-tsary mamoafady… Ary koa ny fidinana ifotony izay hanaovana fanentanana ireo mpianatra tsy hidoroka sy hirona amin'izany fa kosa hanana fahasahiana hitoroka raha misy tranga hita na mihatra mivantana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT