Fampianarana

Drafi-panarenana ny fanabeazana Mihatra amin’ny 2018-2022


  • Zoma 16 Jona 2017

Tontosa omaly alakamisy 15 jona teo ambany fiahian’ny praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny fanaovan-tsonia ny drafi-panarenana momba ny fanabeazana na ny PSE.

Natrehin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary notarihin’ny solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara Elke Wisch izany. Teo ihany koa ireo solontenan’ny minisitera miahy ny fanabezam-pirenena nahitana ny minisitry ny asa, ny avy amin’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa tamin’ny alalan’ny minisitra Toto Marie Lydia, ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Rasoazaniera Monique, ary ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary. Ny drafi-pampianarana vaovao napetraka (PSE) dia filana vaovao izay mamaly ny fampivoarana ny rafi-pampianarana sy ny fanofanana arak’asa ary mifandraika amin’ireo fanamby 14 amin’ny politika ankapoben’ny fitondrana (PGE), ary mifanojo tanteraka amin’ny drafi-pampandrosoana ankapobeny (PND). Ampiharina eo anelanelan’ny taona 2018-2022 ity drafi-panarenana ny fanabeazana eto Madagasikara ity ; tanjona ny hananan’ny mpianatra fianarana garabola tsara kalitao, ny fananabeazana fototra 9 taona hahazoana ny ampy ; ny sekoly ambaratonga faharoa tsara kalitao sy mitovy ho an’ny zanaky ny Malagasy rehetra ary ny fifehezana ny fahaizana mamaky teny sy Manoratra.Ao anatin’izao ezaka fanarenana ny fanabeazana izao dia fantatra fa hanomboka ny volana janoary ny taom-pianarana amin’ny 2019 mba ialana amin’ny vanim-potoan’ny orana.

 


 

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT