Fampianarana

Drafi-panarenana ny fanabeazana Haharitra 9 taona ny fanabeazana fototra


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Anisan’ireo minisitra niatrika an’ireo depiote teny Tsimbazaza omaly alarobia 22 novambra ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary ka nitondra fanazavana feno ny amin’ilay PSE (Plan Sectoriel de l’Education) drafi-panarenana momba ny fanabeazana ho tanterahina tsy ho ela eto amintsika.

Novelabelarina ifotony tamin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara teto, hoy izy,  ny votoatin’ity planina ity sady niadian-kevitra ihany koa ary nakana fanamarihana hoenti-manatsara azyraha ilaina. Nohazavainy tamin’izany fa  rah any antontanisa misy dia miisa 1.900.000 ny ankizy eo anelanelan’ny 6-14 taona tokony hianatra nefa tsy any an-tsekoly ankehitriny ary ny 60 % amin’ireo dia tany an-tsekoly mihitsy ary ny40% dia voatery nijanona noho ny fahatran-dray aman-dreniny. Raha 50% no tonga eo amin’ny T5 dia 25 % monja no matohy any amin’ny Ceg. Raha ny tatitra azo tamin’ny Resen na “Rapport d’Etat du  Système éducatif  National » dia ambony dia ambony n y tahan’ny famerenana kilasy fa mahatratra 20 % any amin’ny ambaratonga voalohany. Izany no anisan’ny naminavinana fanavaozana lehibe ao antin’ny PSE izay hatomboka miandalana manomboka amin’ny taom-pianarana 2017-2018 ny fametrahana ny fanabezana fototra  9 taona izay ho zaraina “sous-cycle” telo lehibe ka hahatritra telo taona avy izany. Hiova miandalana ihany koa ny tetiandrom-pampianarana  ny PSE na ny teti-pivoarana ho an’ny fanabezana. Hiditra volana martsa ny taom-pianarana isan-taona ary hifarana ny volana novambra. Anisan’ny ho jerena manokana ao anatin’ny fampiharana ny PSE ny fanafoanana ny fanadinana CEPE.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT