Dosie ho an’ny CEPE Antananarivo Renivohitra

Nanome fanalavam-potoana herinandro ny Cisco


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Hifarana afaka rahampitso Zoma 28 Febroary ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina

hiatrika ny fanadinam-panjakana manerana ny Nosy. Mbola betsaka anefa ireo tsy nahavita izany vokatry ny tsy fisiana sy ny fahasahiranana, antony nanosika ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra hanome fanalavam-potoana herinandro ho an’ireo Ray aman-dReny. Amin’ny Alatsinainy 03 Martsa ho avy izao araka izany vao hikatona tanteraka ny fanaterana ny antontan-taratasin’ny mpiadina ho azy ireo. Notsiahivin’ny Lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra Ramananantony Lalaina moa fa efa mamaramparana ny fandaharam-pianarana ny ankamaroan’ireo sekoly eo ambany fiadidiany amin’izao. Handeha tsy ho ela ny famerenana ho an’ireo hiatrika ny fanadinana fifindran-kilasy. Efa hiomana amin’ny fanadinana fotsy ihany koa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana mialohan’ny tena hiatrehan’izy ireo ny fanadinana tena izy. Miantso ny Ray aman-dReny mba hifanome tanana amin’ny mpampianatra araka izany ity tompon’andraikitra ity hahazoana ny fahombiazana. Mikasika ny fanadinam-panjakana BEPC kosa dia fantatra fa hifarana amin’ny 07 Martsa ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina hiatrika izany.
Pati
Legende : Kely sisa dia hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE indray ireo kilonga madinika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT