Fampianarana

Distrikan’i Sambava Omaly vao niverina nianatra ny mpianatra


  • Zoma 16 Febroary 2018

Omaly vao niverina nianatra avokoa ireo mpianatra any amin’ny distrikan’i Sambava.

Voatery naato mihitsy mantsy ny fampianarana tany an-toerana vokatry ny disadisa nisy teo amin’ireo mpampianatra tapaka karama miisa 400 sy ny DREN ka nanosika iretsy voalohany hamantsika  ny biraon’ny DREN rehefa nandeha nitaraina izy ireo ka tsy nahita olona.  Tsy nahatanty ny olana mianjady aminy intsony ireto mpampianatra ireto raha araka ny fanazavan-dRatolojanahary Arsene, filoha nasionalin’ny SEMPAMA  Nosy, antony nahatonga azy ireo ho tonga tamin’izao famatsihana ny biraon’ny DREN izao. Na izany aza anefa hoy izy dia nahim-pon’ireo mpampianatra ireo tanteraka ny nanao ity hetsika ity fa tsy misy hidiran’ny SEMPAMA. Mbola nitohy tamin’ny famahana io olana nitranga tany Sambava io moa ny SEMPAMA  Nosy hatramin’ny omaly. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana, indrindra fa ny minisiteran’ny Vola araka izany ity filoha nasionalin’ny Sempama Nosy  ity mba hamerina haingana ny karaman’ireo mpampianatra tapaka karama. Ahiana mantsy hoy izy ny hiparitahan’ny hetsiky ny mpampianatra  tahaka izao manerana ny Nosy raha tsy misy ny vahaolana maika hatolotra azy ireo. Efa nisy tamin’ireo mpampianatra tapaka karama any an-toerana moa no efa nivaha ny olany.

 

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT