Fampianarana

Diplaoma iraisampirenena amin’ny politeknika Hisokatra ny 5 desambra ny fifaninanana


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Ny ankamaroan’ny tanora malagasy nahavita fianarana teny amin’ny ambaratonga ambony dia sahirana amin’ny fitadiavana asa na misehatra amin’ny asa tsy mifanaraka amin’ny

 

 

diplaomany. Tsy ho toyizay ireo andiany faha-10 nisalotra ny anarana  « Mamiratra » izay vao avy nandranto ny fianarany tetsy amin’ny Institut Universitaire Polytechnique de Madagascar ISM Advancea Ambohijatovo sy Tsaralalana  ary nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo tetsy amin’ny CCI Ivato, hoy ny tomponandraikitr’ity sekoly ambony tsy miankina ity. 210 mianadahy izy ireo no notolorana maripahaizana ka ny 85 nahazo ny diplome de technicien superieur na DTS, 91 nahazo ny licence  ary ny 34 Master .Samy nanana ny lalam-piofanany avy ireto mpianatra ireto ka mahafehy avokoa ny tontolo misy azy avy, hoy ny Talen’ny ISM, Mamy Rafalinirina. Misy moa raha ny fanazavana hatrany ny fampianarana izay natao hahazoana mari-pahaizana iraisampirenena iarahan’ity sekoly ity miasa amin’ny FEDE na ny Federation Europeenne Des Ecoles ary hisokatra 5 desambra izao ny fifaninanana ho an’ireo izay liana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT