Fampianarana

Digitalisation” ho an’ny oniversite Roa taona aty aoriana ve dia mbola tsy milamina ihany ?


  • Zoma 10 Martsa 2023

Zary olana mandavan-taona ny fikorontanana eny amin’ny Anjerimanontolom-panjakana.

Fitakiana sy grevy lava no misy, ary fampanantenana vahaolana lava no setriny, saingy tsy mety misy vahaolana tena marin-toerana. Ny vahaolana tokoa ve no tsy misy sa ny finiavana no tsy ampy? Isan-taona izao, eny mety in-droa na in-telo isan-taona aza dia tsy maintsy misy resaka fitakiana “bourses”! Matetika aza moa ny vatsim-pianarana tamin’ny taon-dasa takiana amin’ny taona hitsahina. Efa tany amin’ny martsa 2021 no nodradradradrain’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny “digitalisation” ho an’ny oniversite, ka nilazana tamin’izany fa hahazo “carte bancaire” ny mpianatra, hilamina amin’izay ny vatsim-pianarana,... Niandrandra ny rehetra fa hivaha 100% amin’izay ny olana satria tena zava-dehibe ny fampiasana ny teknolojia hanamorana ny fahasahiranana. Ilay teknolojia ve sanatria no tsy voafehintsika? Tsy mampino izany, fa rehefa zohiana dia ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana no betsaka! Raha resaka informatika sy ny teknolojia izany tena kapoakantsika Malagasy, ary tokony hotrandrahana sy hositrahana faran’izay tratra. Tsy resaka fampianarana ambony ihany fa azontsika trandrahana sy ampiasaina amin’ny sehatra maro io mba hanafainganana ny asa aman-draharaha na tsy miankina na ara-panjakana, eny fa iankinan’ny fampandrosoana mihitsy aza. Toa tsy any anefa no olana, fa mitambatra ao avokoa ny mety ho olana ara-bola, ara-pitantanana,… dia izao iaraha-mahita izao ny vokany. Raha tena narindra sy nalamina tao anatin’ny herintaona na roa taona fara-fahabetsany ve io dia mbola ho tahaka izao hatrany ny olana sy ny zavatra mbola hiadintsika mandrak’ity ny androany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT