Fampianarana

Datim-panadinana Ady hevitra tsy mety vita


  • Alarobia 27 Mey 2020

Anisan'ny mahazo fanontaniana sy fangataham-panazavana maro be avy amin'ireo solombavambahoaka ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana.

 

 

 

Voaresaka miverimberina ny datim-panadinana, tambin-karama ho an'ny FRAM, fanampiana ny mpampianatra amin'ny sehatra tsy miankina, ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana… nandritra ny fifanatrehana eo amin'ny governemanta sy ny antenimeram-pirenena teny amin'ny CCI Ivato omaly. Raha tsiahivina, hentitra ny fanambarana nataon` ny ministry ny fanabeazam-pirenena nandritra ny fanolorana ny fifanarahana arak`asa “tsy hisy taona fotsy ary hiroso amin`ny fanadinam-panjakana”. Fanapahan-kevitra izay miteraka resabe amin` ny mpampianatra sy ray aman-drenin` ny mpianatra. Samy manana ny rariny Etsy ankilany, misy ireo ray amn-dreny tsy mankatoa ny fanapahan-kevitra no milaza fa tsinotsinoavina ny ain` ny zaza Malagasy ary miendrika ho fanapahan-kevitra politika. Ahoana tokoa moa no hahatokisana ny fiarovan` ny ain`ireo ankizy kanefa ny fotodrafitrasa eto amintsika aza dia tsy manaraka ny fenitra ka afaka mandray mpianatra maherin` ny 30 isa, izany hoe 1 m3 isaky ny mpianatra. Sady tato ho ato, mitombo isa hatrany ny isan` ny tranga voamarina. Etsy andaniny, misy no milaza fa tokony hirosoana ny fanadinam-panjakana saingy hamafisina ny fepetra mba hiantohana ny ain` ireo mpiadina ary miteraka fatiantoka ho an` ny rehetra ny fisian` ny taona fotsy. Maro tamin` ireo ray aman-dreny indrindra ireo sahirana no nanambara fa tsy azo ekena ny taona fotsy satria efa ezaka be no vita teo amin`ny lafiny ara-bola. Raha tsiahivina, maro no nitaraina amin` ny vesatra teo amin`ny fandoavana saram-pianarana tamin`ny fiandohan` ny taom-pampianarana na dia nisy aza ny tsy fandoavana ny saram-panoratana anarana (inscription) teo amin` ireo sekoly miankina amin` ny fanjakana. Niara-nahita ireny savorovoro teny amin` ireo sekoly ambaratonga fototra ny volana oktobra sy novambra lasa teo. Ny filankevitry ny minisitra no tompon'ny fanapahan-kevitra farany hoy ny sekretera jeneralin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena omaly momba ny resaka datim-panadinana.

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT