Dabilio ho an’ny mpianatra

Maninona moa raha ianareo mpitondra no manao tsipaipaika e !


  • Talata 30 Janoary 2024

Mbola mampiady hevitra etsy sy eroa hatramin’izao ilay tsapan-kevitra

miendrika ho antso fanampiana nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena momba ny SOS dabilio. Nisy namoaka hevitra milaza hoe : mba atomboy aminareo manampahefana sy mpitondra fanjakana aloha ny tolotra e. Ka 100 000 Ar isam-bolana, isan’olona mandritra ny enim-bolana aloha ny hanombohana azy. Miainga any amin’ny filoham-pirenena 100 000 Ar ampitomboina 6 manome 600 000 Ar, tahaka izay ihany koa ny an’ny praiminisitra. Ireo minisitra 27 mianadahy raha samy manolotra 100 000 ar isam-bolana avy dia 16 200 000 Ar.Ireo hoe sekreteram-panjakana miisa 9 dia 5 400 000 Ar.Ireo loholona sy solombavambahoaka raha atambatra dia tokony mahavita manangona tsipaipaika 52 800 000 Ar ; mbola afaka manampy an’ireo ny governora, prefe, ben’ny tanàna. Koa raha natao ny asa marika dia hahatratra hatrany amin’ny 1 190 400 000 Ar no fitambarany avy amin’ireo mpitondra fanjakana.Heverina hoe 100 000 Ar ny dabilio iray dia mahazo dabilio miisa 11 904 izany ao anatin’ny enim-bolana. Kajy natao kaonty ambany io fa raha ny rariny sy hitsiny ambony lavitra noho ny tsipaipaika ataona ben’ny tanàna ny tsipaipaika omen’ny governora sy minisitra izany.Mbola resaka hafa ny an’ny Filoham-pirenena sy ny praiminisitra satria tsy mitovy ny karama raisina. Mety ho hafa kokoa ny fandehan’ny raharaha, tsy niteraka adihevitra be raha mampiseho ohatra tsara ny mpitantana fa tsy hoe manery an-kolaka sy mitady hanambaka ny vahoaka izay efa tena sahirana ny 90 isan-jatony.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT