Fampianarana

CRM PARAMED Hanatsara ny sehatry ny fanofana paramedikaly


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2017

Vonona hanatsara ny sehatry ny fanofanana paramedikaly eto amintsika ny CMR Paramed na ny drafitra fanofanana paramedikaly tarihin’ny filoha nasionaliny Razanadrakoto Roland Albert.

Nisongadina izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra notanterahin’ny fikambanana niaraka  tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy isan-tsokajiny teny amin’ny Panorama Andrainarivo ny faran’ny herinandro teo nahitana ny avy amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony, ny holafitry ny mpampivelona, ny holafitry ny mpitsabo mpanampy, ny fakiloten’ny mpitsabo… Tafiditra  indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha-herintaona nijoroan’ny fikambanana izany izay mbola hotohizana amin’ny alalan’ny kongresy goavam-be hatao any Faradofay  manomboka ny 22 aogositra ho avy izao. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia tsy ampy ny serasera eo amin’izy ireo raha araka ny fanazavan-dRazanadrakoto Roland Albert, antony mety hiteraka ny elanelana na ny tsy fifankazahoana eo amin’ny tsirairay indraindray. Tanjon’ny fikambanana araka izany ny hanangana fandaharam-pianarana tokana ho an’ny sekoly ambony manofana paramedikaly miankina na tsy  miankina amin’ny fanjakana entina hanatsarana ny traikefan’ireo tanora Malagasy liana amin’izany. Marihina moa fa hipariaka manerana ny faritra ny hetsika ka hisy ny fanangonan-kevitra avy amin’ny tsirairay izay aravona ho ventin-kevitra hatolotra ny foibe. Nifanandrify indrindra tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora izany nankalazaina ny Sabotsy teo moa izany hetsika izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT