Fampianarana

« Cours » ho an’ny mpanala fanadinam-panjakana Maro ireo mpiadina miandry ireo tsy handoavam-bola


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Efa saika nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo avokoa

ny ankamaroan’ireo cour na fanampim-pampianarana omena ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana maro isan-tsokajiny eto amintsika. Maro amin’ireo mpianatra no miandry ireo karazany tsy handoavam-bola noho izany vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Misy ihany ireo maimaim-poana noho izany toy ny ao Alasora Avaradrano. Nanomboka afak’omaly Sabotsy tao amin'ny CEG Alasora, ny Cour d'appui BEPC izay karakarain'ny kaominina. Isaky ny andro Sabotsy no manaraka io fanampim-pampianarana io ireo mpianatra izay tsy hanavahana sokajy fa rehefa mety ho zanak’Alasora. Tanjon’ny Ben'ny tanana sy ny mpanolontsaina ny mba hahazoan’ny mpianatra fahombiazana hahafahan’izy ireny mandroso hatrany amin’ny famitana ny fianarany fa tsy sanatria ho variana amin-java-kafa ka hidonanam-poana fotsiny. Tsiahivina moa fa efa mandeha avokoa ny fisoratana anarana amin’ireo karazam-panadinana miisa 3 amin’izao fotoana izao dia ny CEPE sy ny BEPC ary ny Bakalorea. Ny 18 Jona ho avy izao no hotanterahina manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana CEPE raha ny 01 ka hatramin’ny 04 Jolay kosa ny fanadinam-panjakana BEPC. Tamin’ny 04 Septambra taona 2023 kosa no nanomboka ny taom-pianarana 2023-2024 ary hifarana ny 28 Jona ho avy izao ho an’ireo kilasy tsotra.
Pati
Legende : Ireo mpianatra tonga hanaraka cour teny amin’ny CEG Alasora !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT