Fampianarana

CONAMEPT Manomana ny rehetra amin’ny fiatrehana ny taom-pianarana


  • Zoma 11 Septambra 2020

Efa enim-bolana lasa izay no tsy niditra an-tsekoly farany ny mpianatra teto amintsika.

 

 

 

 Avo telo heny amin’ny vakansy lehibe izany amin’ny ankapobeny , fepetra izay tsy maintsy noraisina noho ny fihanaky ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika. Manoloana io tranga io dia somary mikaviavia avokoa na ny mpampianatra na ny mpianatra amin’ny fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2020-2021 indray, raha toraka izany koa ny Ray aman-dReny. Nisy araka izany ny fiofanana nomen’ny CONAMEPT amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra entina hanomanana ny sain’ny mpampianatra sy ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra manoloana ny mbola fisian’ny ny valan’aretina coronavirus eto amintsika. Tany amin’ny ZAP-n’Ankadinandriana no nisantaran’izy ireo izany afak’omaly Talata hitohy any amin’ny ZAP-n’i Sabotsy Namehana. Nambaran-dRtoa Huguette Racoali, tompon’andraikitra eo anivon’ny CONAMEPT nandritra izany fa anisan’ny tanjona hotratrarina ny hamerenana amin’ny laoniny ny taom-pianarana toy ny teo aloha ka hahafahan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ny mpampianatra mifanome tanana hahazoana vokatra tsara na dia mbola eo aza ny valan’aretina Covid 19.

Pati

 

 Sary fanehoana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT