CONAMEPT

“Ahitsio ny fanabeazana eto Madagasikara”


  • Talata 23 Aprily 2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

ka tsy diso anjara amin’izany ny eto Madagasikara amin’ny alalan’ny CONAMEPT (Coalition Nationale Malagasy pour l'Education Pour Tous), izay manamafy ny tokony hanovana ny lafiny fanabeazana. Mbola betsaka ny fanamby mbola mila irosoana, ka anisan’ireo ny “2030 ho an’ny fanabeazana” isan’ny nosoniavin’ I Madagasikara ny taona 2015, hoy ny Mpandrindra Nasionalin’ny CONAMEPT Rtoa Huguette Rakotoarivony. Nampahatsiahy ny CONAMEPT , fa taona 2023 dia nandray anjara mavitrika tany tamin’ny Foiben’ny Firenena Mikambana ny delegasionina Malagasy notarihin’ny Filoham-pirenena, tao anatin’ilay TES (Sommet sur la Transformation de l’Education). Nisy ihany koa ny atrikasa lehibe momba ny fanabeazana teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny herintaona. Betsaka ny zavatra nivoitra tao anatin’ireny fa amin’ity indray mitoraka ity dia miray feo ny maneran-tany. Misy lafiny 5 noresahana: ny sekoly tsy manavaka, ny fanabeazana mirindra mandritra ny androm-piainana, mpanabe sy mpampianatra ao anatin’ny tontolon’ny asa matihanina, fampiasana ny tontolon’ny nomerika ho an’ny fanabeazana, ary famatsiana ho an’ny fanabeazana. Endrika hanehoana azy ny fiarahana mively aponga eran-tany ka mively aponga ny maneran-tany ary mively amponga ihany koa ny CONAMEPT hoe aiza ho aiza isika? Miantso manokana ireo voakasiky ny fanabeazana rehetra noho izany ny CONAMEPT hametraka araka ny tokony ho izy ny fanabeazana sy fampianarana. Navoitran’ny CONAMEPT ny mikasika ny fahintsiana eo amin’ny fanampiam-bola sy fampiasam-bola eo amin’ny fanabeazana, ka ao anatin’izay ny adisisika eo amin’ny famatsiam-bola. Manamafy ny CONAMEPT fa tokony hisy ny fanovana ka lehibe indrindra ny famerenena ny zo aman-kasin’ny fanabeazana, ny fanabeazana mifandraika amin’ny firenena sy ny zavatra iainana andavanandro ary azo hampiharina,... “Tena nahazo ny fanabeazana ireo zoky teo aloha fa aty aoriana tsy mahamenatra ny miteny an’izany satria efa feo maneran-tany fa tena tsy mitondra any amin’ny fampiharana fa manentsina ihany ny anatin’ny loha na mandombo izay efa ao anatin’ny loha», hoy Rtoa Huguette Rakotoarivony. Noho izany dia mametraka ny hoe: fanabeazana manova tanteraka. Ao anatin’izay ny rafi-pampianarana, ny fampiasam-bola any amin’ny fampianarana, ny fandraisan’anjaran’ny rehetra, ny kirakira toy ny fanomezana ny ilain’ny mpampianatra,… Notsipihin’ny CONAMEPT fa isan’ny mahamaika ny fanovana ny fanabeazana, mbola vitsy ny manana ny hoenti-manana makany amin’ny sekoly tsy miankina, ka ny fanovana maha maika dia mifototra amin’ny hoe : hovay ny fanabeazana izay sitrahan’ny zana-bahoaka, ka iraisana amin’ny maneran-tany io.
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT