Fampianarana

Collectif des Cadres Analanjirofo « Tsy atao sorona ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina »


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Niala tamin’ny fahanginany ary nanao fanambarana omaly talata 23 ny Collectif des Cadres Analanjirofo,



 tarihin’ny filohany Razafindrabe Vivien José, manoloana ny raharaha ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Mitsipaka an-kitsirano ny fampiasana basy sy fitaovam-piadiana amin’ny mpianatra tsy manantsiny ary miantso ny tompon’adraikitra hanasazy ireo nahavanon-doza ny Collectif. Tsy manaiky anaovana sorona ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ireto farany. Ambaran’izy ireo fa ny olan’ny mpianatra toy ny vatsim-panarana sy trano fonenan’ny mpianatra dia olana efa hatry ny ela ka miantso ny fitondram-panjakana ny Collectif hijery vahaolana maharitra ho an’ny mpianatra mba tsy hiverimberenan’ny fitokonana ary miantso ny mpianatra mba tsy hanaiky ataon’olona fitaovana politika sy tsy hanimba fitaovana iombonana. Miantso ireo mpitantana eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony ihany koa ny Collectif mba tsy hifanilika andraikitra fa hijoro ho tompon’andtaikitra amin’ny zavatra rehetra mitranga ary miara-mamaha olana. Niforona tao Analanjirofo tamin’ny taona 2013 ny Collectif izay ivondronan’ireo vato nasondrotry ny tany avy ao amin’ny faritra.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT