Fampianarana

Coliseum Antsonjombe “Kits Scolaires” tsy mitovy loko no nozaraina


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Soa ihany fa mahalala fomba sy be fandeferana ny Malagasy. Raha ny fahakiviana sy hasosoran’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra omaly teny Antsonjombe dia asa fotsiny no mety nitranga.

 

 Omena zavatra dia mahalala fomba manao “misaotra tompoko”. Nahatalanjona ity atao hoe “kits scolaires” fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana nozaraina tamin’ireo mpianatra teny amin’ny Coliseum omaly. Kitapo samy manana ny lokony ary tahaka ny hita eny an-tsena, tsy dia tsara kalitao. F’angaha moa tsy tokony hitovy endrika sy loko ary misy ny mari-pamantarana an’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny kitapo tahaka itony ? Sa efa niova ny filôzôfian’ny “Kits Scolaires” ka tsy ao intsony ilay fitoviana fa dia samy manana ny azy ireo mpianatra ? Tsy nisy fanazavana ny niavian’ireo kitapo nozaraina fa ny tsikaritra dia toa sanatria ambinambin-javatra tany ho any no natambatra mba hahatrarana ilay isa ka mety ho naha samihafa ny loko sy ny endriny. Ny resaka fandaminana tsy resahana intsony fa dia nafatratra tahaka ny fako misavovona miandry ny kamion’ny SAMVA ireo kitapo hozaraina. Tena maika amin’ny isa ve ka tsy miraharaha intsony ny kalitaon-javatra ny fitondrana HVM ?

60 000

Mpianatry ny EPP sy CEG  miisa 60.000 avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana miisa efatra dia Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo samy ao anatin’ny DREN Analamanga no notoloran’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina Kits scolaires omaly teny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny no tanjona, indrindra ireo mpianatra eny anivon’ny CEG izay fantatra manokana fa tena maro fitaovana ilaina tokoa. Tsy atao fitaovana politika ny fampianarana ka hanaovana fampielezan-kevitra,  hoy ny Filoha.  Amin’ny zavatra tsara  tahaka izao no tokony hifaninanana sady nampahery ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ihany koa.  Ho an’ny minisitra Paul Rabary kosa  indray dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fampiharana ny “Plan Sectoriel de l’Education” izao ezaka  hataon’ny fanjakana izao. Atsy ho atsy mantsy dia tsy hisy fanavahana intsony ny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa fa hitambatra ho iray,  antony nanomezana kojakojam-pianarana ireo mpianatry ny CEG, indrindra ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC. Ray aman-drenin’ny mpianatra  maro no tonga nanatrika ny lanonana, izay  marihina manokana fa noterena an-kolaka ihany, araka ny fitarainan’izy ireo. Tamin’ny 7 ora maraina izy ireo dia efa noterena ho tonga teny amin’ny Coliseum nefa tamin’ny 10 ora sy 10 minitra vao nigadona teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery  Rajaonarimampianina sy ireo delegasiona notarihiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT