Fampianarana

CNTEMAD Hanomboka hampiasa ny « Logiciel ENT »


  • Talata 16 Janoary 2018

Hanomboka hampiasa ilay logiciel ENT « Environnement Numérique de travail » amin’izay amin’ity taona 2018 ity ny oniversitem-panjakana CNTEMAD manerana ny Nosy,

 

fanatsarana izay efa noketrehina tao anatin’ny taona vitsy. Logiciel natao hanamorana ny fifandraisan’ny mpampianatra sy ny mpianatra, ireo tompon’andraikitry ny sekoly sy ny mpianatra… io logiciel io, manana tanjona hanatsara hatrany ny fari-pahaizan’ilay mpianatra sy ny mombamomba azy, ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta raha araka ny fanazavan’Atoa  Djohary Andrianambinina, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity oniversité iray ity. Ankoatra izay dia efa milamina soa aman-tsara ihany koa ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny M Vola amin’izao entina hisorohana ny filaharam-be tsy maintsy hataon’ny mpianatra eny amin’ny amin’ny banky amin’ny fandoavana ireo karazana vola ilaina hahafahana miatrika ny fianarana….Tsy misy intsony ny ahiana hoy Atoa Djohary  Andrianambinina, raha tsy natao  ho an’ireo tanora eto an-drenivohitra ihany ny sekoly fa efa miparitaka manerana ny Nosy. Mbola mitohy moa ny fisoratana anarana eo anivon’ny CNTEMAD amin’izao  raha miisa valo ihany koa ireo karazana lalam-piofanana azon’ny mpianatra safidiana sy hianarana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT