Fampianarana

CNR – Minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony Ahiana tsy handray karama hatramin`ny aprily 2020


  • Zoma 06 Desambra 2019

Miisa 9 ny ivontoeram-pirenena misahana ny fikarohana (Centres nationaux de recherche) eto Madagasikara. Rantsamangaika eo

 

 

anivon`ny ministeran`ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Raha ny fantatra, dia tsy haloa ny karaman`ny mpiasa ao amin`ireo ivontoerana ireo amin`ity volana ity. Antony, tsy mahatafavoaka ny tohana ara-bola ho an’ireo ivotoerana ireo ny Ministera hatramin’izao. Ahiana ihany koa ny tsy handraisan’ireo mpiasa an`arivony ireo karama hatramin`ny fotoana hahafahana mamoaka izay tohana izay any amin`ny martsa na aprily 2020 farafahaingana. Etsy an-kilany, saika hakatona ihany koa ny CNRIT (Centre national de recherche industrielle et technologique) satria vitsy ny mpikaroka miasa ao. Marihina fa io ivontoerana io dia manana “brevets“ maro ary manana voka-pikarohana tsara sady azo ampiasaina ho an’ny fampandrosoana. Saingy nihemotra tamin`ny fanapahan-keviny indray ny ministera. Andrasana moa ny vahaolana maharitra eo anivon`ny fampianarana sy fikaroahana eto amintsika satria ny vokany hatreto dia manao grevy ny SECES Antananarivo, Antsiranana, Toliara, Fianarantsoa. Noho izany, mila politikam-pikarohana matotra ny ministera.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT