Fampianarana

CNEMD Ampefiloha Enim-bolana tsy nandray karama ireo mpampianatra mozika


  • Alatsinainy 29 Mey 2017

Ivontoerana iray mampianatra momba ny mozika ny CNEMD etsy Ampefiloha, rantsana iray eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny vakoka.

Misedra olana tanteraka anefa ity ivontoerana ity ankehitriny. Araka ny fanazavan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo dia tsy nandray karama intsony ireo mpampianatra mozika sy mpandraharaha ao amin’ny CNEMD nanomboka tamin’ny volana janoary no ho mankaty. Ankoatra izay, efa  miharatsy ihany koa ny trano hianaran’ny mpianatra sy ny fitaovana. Mandoa saram-pianarana avokoa anefa ireo mpianatra miisa 750 mianatra mozika ao amin’ity ivontoerana iray ity. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny zava-misy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny CNEMD.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT