Fampianarana

CNaPS - DIDEC Moramanga Nahazo fiofanana ny mpampiasa sy ny mpiasa


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Mitohy ny fanofanan’ny CNaPS sy ny DINEC ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly katolika ka nampahafantarina momba ny zon’ny mpiasa sy ny adidin’ny mpampiasa ny DIDEC Moramanga nandritra ny 4 andro.

 

 

 

 Nitarika ny fiofanana Atoa Rasoanaivo Didier, talen’ny fenitra sy ny fikarohana eo anivon’ny CNaPS foibe. Nahatratra 40 ireo mpiofana nahitana ny vondron’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny mpitantana sekoly. Nampahalalaina azy ireo ny andinin-dalàna momba ny fiahiana ara-tsosialy, ny fifanarahana arak’asa, ny kazarana tombontsoa omen’ny CNaPS ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Ao ny fanampiana ny fianakaviana, ny loza sy aretina vokatry ny asa ary ny fisotroan-dronono. Nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny vaomiera Episkopalin’ny fanabeazana katolika Père Jules Ranaivoson fa ny ray aman-dreny no mandoa ny vola ho an’ireo mpanabe ka tsara ry zareo mahalala ny lalàna momba izany. Nanamafy ny avy amin’ny CNaPS fa rehefa voakarakara ny mpanabe dia mazoto mampianatra, ary mifantoka bebe kokoa amin’ny asa sahaniny. Hahita vokatsoa, araka izany, ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ny sekoly. Ny mpanabe kosa tsy ho very zo ary higoka ny tombontsoa ao amin’ny CNaPS manomboka any am-bohoka ka hatramin’ny fahafatesany raha feno avokoa ny fepetra. Ny tanjona moa dia ny haharesy lahatra ny rehetra fa zava-dehibe ny fananana fiahiana ara-tsosialy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT