Fampianarana

CMR PARAMED Hankalaza ny herintaona nijoroany


  • Alakamisy 03 Aogositra 2017

Feno herin-taona sahady ny « Cercle Mixte de Reflexion pour la révalorisation de formation paramedicale » eto Madagasikara na ny CMR Paramed tarihin’ny filohany Razanadrakoto Roland Albert.

 Ny Sabotsy 12 Aogositra ho avy izao no hanaovana ny fankalazana izay hifanindry an-dalana amin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora. Hetsika marobe  no entina hankalazana izany toy ny famelabelarana ara-tsiantifika maro samihafa.  Tafiditra ao anatin’izany ny foto-kevi-dehibe mahakasika ny pôlitika vaovao momba ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara, iarahana amin’ny Ministeran’ny fahasalamana. Ny toeran’ny paramédicaux eo amin’ny rafitry ny fahasalamam-bahoaka misy ankehitriny, iarahana amin’ny fikambanana Paramédicaux,  ny foto-kevitra ara-politika sy pedagojika amin’ny rafi-panofanana paramedikaly (FACMED) iarahana amin’ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony, ny toeran’ny sekoly manofana ho paramed miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana amin’ny ezaka hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana iarahana amin’ny IFIRP…  Hamaranana izany ny fiaraha-midinika toy ny fanitsiana ara-pôlitika sy pedagojika ny rafi-pampianarana paramedikaly eny amin’ny fakiolté-n’ny fitsaboana hifanaraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa eto an-toerana sy any ivelany. Ity no andiany voalohany amin’ny hetsika izay hisandrahaka manerana ny Nosy raha ho avy tsy ho ela ny andiany faharoa sy fahatelo. Hatolotra manontolo ny Ministera mpiahy sy ny fakiolte-n’ny fitsaboana ny vokatra azo rehetra amin’izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT