Fampianarana

CMR PARAMED Hankalaza ny faha-herin-taona nijoroany


  • Alarobia 02 Aogositra 2017

Feno herin-taona sahady ny « Cercle Mixte de Reflexion pour la révalorisation de formation paramedicale » eto Madagasikara na ny CMR Paramed tarihin’ny filohany Razanadrakoto Roland Albert.

Ny Sabotsy 12 Aogositra ho avy izao no hanaovana ny fankalazana izay hifanindry an-dalana amin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora. Hetsika marobe  no entina hankalazana izany toy ny famelabelarana ara-tsiantifika maro samihafa.  Tafiditra ao anatin’izany ny foto-kevi-dehibe mahakasika ny pôlitika vaovao momba ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara, iarahana amin’ny Ministeran’ny fahasalamana. Ny toeran’ny paramédicaux eo amin’ny rafitry ny fahasalamam-bahoaka misy ankehitriny, iarahana amin’ny fikambanana Paramédicaux,  ny foto-kevitra ara-politika sy pedagojika amin’ny rafi-panofanana paramedikaly (FACMED) iarahana amin’ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony, ny toeran’ny sekoly manofana ho paramed miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana amin’ny ezaka hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana iarahana amin’ny IFIRP…  Hamaranana izany ny fiaraha-midinika toy ny fanitsiana ara-pôlitika sy pedagojika ny rafi-pampianarana paramedikaly amin’ny fakiolté-n’ny fitsaboana hifanaraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa eto an-toerana sy any ivelany. Ity no andiany voalohany amin’ny hetsika izay misandrahaka manerana ny Nosy raha ho avy tsy ho ela ny andiany faharoa sy fahatelo. Hatolotra manontolo ny Ministera mpiahy sy ny fakiolte-n’ny fitsaboana ny vokatra azo rehetra amin’izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT