Fampianarana

CISCO Fenoarivobe Natsahatra tsy nianatra ny kilasy nitrangan’ilay ambalavelona


  • Talata 23 Janoary 2018

Tsy niandry ela fa nandray ny andraikiny avy hatrany ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana Fenoarivo nanoloana ireo ankizy nihetsika aretina Ambalavelona tao amin’ny CEG Ankotrabe.

 
Natsahatra tsy nianatra avy hatrany izy fito vavy lasibatr’ity aretin-dratsy iray ity tao amin’ny kilasy faha-enina niaraka tamin’ireo mpiara-mianatra taminy rehetra. Ankoatra izay dia noraisin’ny fari-piadidiam-pampianarana an-tanana avokoa ny fandaniana rehetra amin’ny fitsaboana azy ireo ka anisan’ireny ny fanafarana sy fakana an’i Mompera Jean Michel izay efa matihanina amin’ny fitsaboana ity aretina iray ity. Lasa nifindra fonenana any Mandiavato Miarinarivo mantsy ity mompera iray ity. Na izany aza anefa dia fantatra fa tsy maharitra be akory ny fotoana hijanonan’ireto mpianatra ireto amin’ny fianarany, raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa fotoana vitsivitsy ihany, mandrapahazoany aina hahafahana mitsabo azy ireo fotsiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT