Fampianarana

CISCO Atsimondrano Nizaràna ody kankana sy fanafody bilarziozy ny mpianatra


  • Talata 20 Martsa 2018

Tsy nianatra ny ankamaroan’ireo ankizy mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny EPP sy CEG, ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano, omaly.

 

 Ireo dimy ka hatramin’ny 15 taona no ho mihoatra no voakasik’izany, noho ny fisian’ilay hetsika fizarana fanafody iadiana amin’ny aretina bilarziozy sy ny ody kankana,  baiko avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.  Ho an’ny CEG Faliarivo Ampitatafika manokana dia nanomboka tamin’ny 7 ora maraina izany, omaly. Raha vao tapitra ilay 20 minitra taorian’ny fihinanana  fanafody ho an’ireo mpianatra nahazo alalana avy amin-dray aman-dreniny dia nalefa nody avy hatrany izy ireo. Mety haloiloy na harary kibo kely, na koa harary an-doha mantsy ireo mpianatra nihinana sy nandray ny fanafody, hoy ny talen-tsekoly, Rafanomezantsoa Jean Jacques. Nampanarahina ny laharam-pindain’ireo mpitsabo eo anivon’ny CSB II Faliarivo ihany koa izy ireo, raha sanatria ka misy zavatra mitranga. Miankina amin’ny halavan’ilay mpianatra moa ny fatran’ilay fanafody bilarziozy nomena azy. Ho an’ireo mirefy eo anelanelan’ny 94 sm ka hatramin’ny 1 m sy 10, ohatra, dia iray no fatran’ny fanafody bilarziozy  praziquantel nomena azy ireny. Nomarihin’ity talen-tsekoly ity hatrany moa fa tsy hakamoana no antony nijanonan’izy ireo omaly fa tsy maintsy maka aina ireo ankizy avy mihinana ny fanafody. Ankoatra izay dia tokony hanao fitsarana tamin’ny fanadinana telo volana faharoa izahay saingy mba ho fitsinjovana ny rehetra dia hatomboka amin’ny alarobia avokoa izany.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT