Fampianarana

CISCO Antananarivo Renivohitra Tohanana manokana ireo mpianatra hiatrika CEPE sy BEPC


  • Alarobia 07 Febroary 2018

Hifarana ny 02 martsa ho avy izao, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra Rtoa Rakotozafy Ramasy Harisoa, ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2018 ity.


Ny volana janoary lasa teo no nanomboka ny fisoratana anarana izay notsindriany manokana fa efa lavalava ihany ka tsy tokony ho tara  amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’izany ny ray aman-dreny. Ho an’ity fari-piadidiam-pampianarana iray ity manokana  dia fantatra fa efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka izy ireo. Ho an’ny fanadinana CEPE, ohatra, dia hisy  ny “cours de soutien” omena maimaimpoana ny mpianatra rehetra ao amin’ny taona voalohany ka hatramin’ny taona fahadimy, iarahan’ny mpampianatra sy ny talen-tsekoly. Hanaovana andrana isaky ny taranja mihitsy izany, ho an’ny mpianatra tsirairay avy. Ho an’ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa indray, indrindra fa ireo hiatrika ny fanadinana BEPC dia hisy ny  fiofanana omena ny mpampianatra entina hanatsarana ny kalitaon’ny Fanabeazana mba hahazoana vokatra mahomby. Ho an’ny fanadinana BEPC manokana moa dia tsara  ny mampahatsiahy fa hifarana ny 08 martsa ho avy izao ny fisoratana anarana.

 

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT