Fampianarana

Cisco Antananarivo Renivohitra Efa nahazo “kits scolaires” avokoa ny mpianatra


  • Alakamisy 07 Desambra 2017

Efa tapitra nahazo ilay “kits scolaires” avy amin’ny filoham-pirenena mivady avokoa ireo mpianatra eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, hoy Rakotozafy Ramasy Harisoa, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity Cisco iray ity, omaly.

 

Tany am-pianarana no nozaraina izany ho an’ireo mpianatra madinika noho ny hamaroan’ireo olona tonga teny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Teny Antsonjombe kosa anefa no naka ny anjarany ireo mpianatra eny anivon’ny CEG miisa 15  eto an-drenivohitra izay miisa 19.810. Mikasika ny fizotry ny fampianarana amin’izao telo volana voalohany izao dia nomarihiny manokana fa tena mandeha tsara ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana tantanany. Samy manana ny fanapahan-kevitra raisiny ny sekoly tsirairay na hampanao fanadinana telo volana voalohany ny mpianatra amin’ity desambra ity na fitsapam-pahaizana fotsiny ihany. Ny tsy maintsy hiraisana dia aorian’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona  vao handray ny bulletin ny mpianatra. Ny 23 desambra ho avy izao moa no hivoaka amin’ny fialan-tsasatry ny  fetin’ny noely sy ny faran’ny taona ny mpianatra rehetra  ary hifarana ny 3 janoary taona 2018.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT