Fampianarana

CEPE SY BEPC Nampitomboina ny isan’ireo efitranom-panadinana


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Ho fiarovana ireo ankizy sy tanora mpianatra amin’ny COVID 19 hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC amin’ity taona 2020 ity dia fantatra fa hohampitomboin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fiofanana ara-teknika ny efitranom-panadinana.

 

 

 

 Lasa nakarina ho 17.120 izany ho an’ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE raha 10.658 ho an’ireo hiatrika ny fanadinana BEPC. Tanjona ny hahafahana mifehy sy manaja ilay mpianatra iray amina dabilio iray, ho fanajana ilay elanelana 1 metatra. Tsy latsa-danja amin’izany ny fametrahana toerana fanasan-tanana amin’ny savony isaky ny efitranom-panadinana, ny fanaovana aron-tava….Ho an’ny Ministera tompon’andraikitra manokana dia fantatra fa efa miroso amin’ny fanontana ny laza adina izy ireo amin’izao ka miara-mifanome tanana amin’izany ny CISCO, ny DRENTP.....Mikasika ny fizarana ny taratasy fiantsoana ny mpiadina indray dia fantatra fa hozaraina tsy ho ela izany miankina amin’ny fanontana ny laza adina ihany koa. Tsiahivina moa fa 162 andro alohan’ny fanadinam-panjakana iray no tokony hotanterahina ny fiomanana. Nohamafisin’ny Ministera fa izay fandaharam-pianarana vita nandritra ny telo volana voalohany sy faharoa ihany araka izany no hanadinana ny mpianatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT