Fampianarana

CEPE sy BEPC 2023 Maimaim-poana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Nivoaka ny alarobia 08 febroary 2023 ny naoty mikasika ny tsy fisian’ny fandoavam-bola amin’ny fisoratana anarana

ho an’ireo mpianatra na mpiadina ho amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC amin’ity taom-pianarana 2022-2023 ity manerana ny Faritra 23 mandrafitra an’i Madagasikara. « Efa misy ny tetibola manokana napetraka eny anivon’ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa 114 manerana ny Nosy ka tsy tokony hisy intsony ny fakàna vola ataon’ireo eny amin’ny ivon-toeram-panadinana mifanaraka amin’ireo fanadinam-panjakana ireo », hoy ny fanamarihana nataon’ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Théophile. Notsipihiny tsara ihany koa fa ny fandaniam-bola ataon’ny ray aman-dreny amin’ny fanomanana ireo antontan-taratasy ho amin’izany fisoratana anarana ho mpiadina amin’ny fanadinana CEPE sy BEPC izany toy ny fanamboarana kopia nahaterahana sy ny maro hafa dia anjara andraikitry ny ray aman-dreny madiodio fa tsy misy idiran’ity maha-maimaim-poana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra hiatrika fanadinana ity.
Nangonin'i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT