Fampianarana

CEPE sy BEPC 2017 7 sy 9 taona no zandriny indrindra eto an-drenivohitra


  • Alarobia 26 Aprily 2017

Efa tsara homana amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC taona 2017 ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, hoy Rakotozafy Ramasy Hary Soa,

 

 lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao an-toerana. Efa tamin’ny volana janoary izy ireo no efa niomana, hatramin’ny fomba hoentin’ny mpianatra hiatrika ny fanadinana. Ho an’ny fanadinana CEPE manokana dia mahatratra 31.108 ny isan’ireo mpiadina nisoratra anarana ka ny 15.643 amin’ireo dia zazavavy avokoa. Miisa 155 ireo nisafidy ny sokajy A, 27.947 ny sokajy B raha 3078 ny sokajy C. Hiparitaka amina efitranom-panadinana miisa 690 izy ireo. Miisa 16 ny foibe hanaovana ny fitsarana. Zazalahy kely fito taona no zandriny indrindra hiatrika izany raha lehilahy lehibe 64 taona no zokiny. Ho an’ny fanadinana BEPC kosa indray dia miisa 26.809 ireo mpiadina eto an-drenivohitra ka ny zazavavy no betsaka indrindra. Mahatratra 13.932 ireo zazavavy ary 12.859 ny zazalahy. Ny 22.085 amin’ireo no nisafidy ny sokajy A, 4.706 ny sokajy B izay hiparitaka amina efitranom-panadinana miisa 653. Miisa 22.197 kosa ireo hiatrika ny taranja ara-panatanjahantena. Zazavavy kely sivy taona no zandriny indrindra ary lehilahy lehibe 64 taona no zokiny indrindra. Ho an’ireo ankizy hiatrika ny fanadinana BEPC dia ny 2.884 amin’izy ireo ihany no tsy  hanala  ny seconde.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT