Fampianarana

CEPE - DREN Betsiboka 20 taona ny zokiny amin’ireo mpiadina


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Ireo mpiadina ao amin’ny Faritany Mahajanga sy Fianarantsoa izay ahitana Faritra miisa sivy dia Sofia, Boeny, Melaky, Betsiboka, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Atsimo Atsinanana,

 

 

 

 Amoron’i Mania ary Vatovavy Fitovinany indray no hiatrika ny fanadinana CEPE amin’ny talata 08 septambra 2020 ho avy izao. Ho an’ny Foibem-paritry ny Fanabeazam-pirenena na DREN Betsiboka dia ahitana mpiadina voasoratrana anarana miisa 5.399. Zaza 8 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpiadina raha toa ka 20 taona kosa ny zokiny indrindra amin’izy ireo. Efa tonga any amin'ireo Fari-piadidiam-pampianara telo dia Maevatanana, Tsaratanana ary Kandreho, izay mandrafitra ny DREN Betsiboka ireo laza adina CEPE/6e miaraka amin'ireo fitaovana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19.

Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT