Fampianarana

CEPE andrana andiany faharoa Ny taranja Frantsay sy laza olana no tena mampikolay ny mpiadina


  • Alarobia 07 Jona 2023

Afaka 13 andro eo ho eo sisa dia hiatrika ny fanadinana ara-panjakana CEPE ireo kilonga madinika miisa 515.081

manerana ny Nosy izay hitsinjara amina foibem-panadinana miisa 1995 sy efitranom-panadinana 14.801 isa. Ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano manokana dia niatrika ny fanadinana CEPE andrana andiany faharoa nokarakarain’ny ZAP izy ireo omaly talata 06 Jona. Amin’ny ankapobeny dia ny taranja laza olana sy ny frantsay no tena mbola mampikolay ireo mpiadina. Tena nampahazo aina azy ireo kosa omaly ny taranja jeografia sy Malagasy. Na izany aza efa vonona ireo mpiadina amin’ny ankapobeny. Ny mamerina ireo karazana raikipohy sy tsara ho fantatra madinidinika sisa no tanterahin’izy ireo raha efa vita rahateo ny fandaharam-pianarana ho an’ny sekoly nanaovanay fanadihadiana. Hatreto dia ny famerenan-desona sisa no tena hibahana amin’ny fandaharam-potoanan’ny sekoly tsirairay avy na ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana izany na ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana tsotra hahafahana mifindra kilasy. Hotanterahina manomboka amin’ny Alatsinainy ho avy izao ihany koa mantsy ny fanadinana farany amin’ity taona ity, ho an’ireto farany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT