Namoaka mpiofana 282 ny Centre National de l’artisanat Malagasy etsy 67 ha omaly. Ny 151 amin’izy ireo dia teto amin’ny Faritra Analamanga avokoa izay notolorana mari-pahaizana tetsy amin’ny ANS Ampefiloha.
Zavatra maro loha no nanofanana azy ireo nandritra ny telo volana. Anisan’ireny ny tenona, ny rary, ny amboradara (broderie), ny zaitra, ny korose, ny fanodinana ny taratasy sy plastika hanjary ho taozavatra izay natokana ho an’ny vehivavy avokoa raha ny mécatronique sy ny rafitra vy sy hazo kosa no natokana ho an’ireo lehilahy. Tanjon’ny CENAM tamin’izany ny hahafahana manome lanja ny fiofanana arak’asa hahazoana vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana avy hatrany ho an’ny tokantrano sy ny fianakaviana Malagasy. Nambaran’ireo mpiofana fa betsaka amin’izy ireo no efa nahita asa raha maro ihany koa ireo manao asa tenany, indrindra fa ireo renim-pianakaviana. Ho an'ireo lehilahy nianatra mekanika, ohatra, dia efa manjary hain’izy ireo hatramin’ny mikirakira ireo fiara elektronika ankehitriny nefa tsy lafo ny saram-pianarana. Ny olana kely fotsiny, hoy izy, ireo dia ny fitaovana ampiasaina raha hanangana garazy ho an’ny tena manokana. Tsy mitaky diplaoma moa ny Cenam amin’ny fiatrehana fiofanana saingy mila olona vonon-kianatra sy manam-piniavana kosa. Tsiahivina fa tany amin’ny Faritra DIANA ny 16 amin’ireo mpiofana ireo, 22 tany Antsiranana, 24 tany Boeny raha 79 tany Vatovavy Fitovinany. Tonga nanatrika ny lanonana Rtoa Johasy Eleonore minisitry ny kolontsaina izay nanamafy ny maha zava-dehibe ny fampitomboana isa ny mpanao asa tanana tahaka izao izay efa maherin’ny 2 tapitrisa manerana ny Nosy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.