CEG TALATAMATY-AMBOHIDRATRIMO

Tovovavy maromaro tratry ny ambalavelona


  • Alakamisy 20 Novambra 2025

Nikoropaka ireo Ray aman-dReny

mampiana-janaka ao amin'ny CEG Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo omaly Alarobia 19 Novambra maraina. Tovovavy iray tao amin'ny kilasy fahasivy mantsy na 3eme no nihetsika ambalavelona ka namindra tamin'ireo namany iray kilasy. Nihinjitsinjitra, nihiakiaka, nivoaka vorim-bava ny sasany tamin'ireo tovovavy ireo ka nisy tsy voatazona mihitsy hoy ny vaovao. Voatery niantso ireo Ray aman-dRenin'ny mpianatra ny tompon'andraikitry ny sekoly noho izany ka nampodiana avokoa ny mpianatra. Nisy tamin'izy ireo moa no efa nakana mpanompon'Andriamanitra. Tsy fantatra kosa na hisokatra ny sekoly anio Alakamisy 20 Novambra na tsia. Tsiahivina moa fa ny tahotra no anisan'ny mampihanaka ny aretina ambalavelona haingana raha araka ny fanazavan'ny Pastera Heritiana. Ny tovovavy no mora matahotra noho ny tovolahy ka handairany avy hatrany. Ny ambalavelona ihany koa anefa raha ny nambarany no aretina mora sitranina indrindra.
Pati
Légende : Nitangorona tahaka izao ireo Ray aman-dReny naka ny zanany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT