Fampianarana

CEG SOAMANANDRARINY Mpianatra 300 isan-taona ihany no azo raisina


  • Talata 21 Desambra 2021

Mijaly amin’ny resaka efitranon-tsekoly ny CEG ao Soamanandrariny, kaominina ambanivohitra Ambohimangakely. Raha mahatratra 600 isa isan-taona mantsy ireo ankizy afa-panadinana CEPE

 eny amin’ny manodidina dia tsy manana efitrano fianarana mahazaka mpianatra afa-tsy 300 isa izy ireo. Vokany, maro amin’ireo mpianatra eny amin’ny manodidina no mitsoaka an-daharana tsy fidiny raha misy mijanona eo amin’ny fahazoany ny mari-pahaizana CEPE mihitsy ny sasany. Ankoatra izay dia mbola olana hafa ihany koa ny tsy fananan’izy ireo cantine scolaire. Mba ho fanampiana ity CEG ity dia tonga nanolo-tanana ho azy ireo ny fikambanana Lions Club Antananarivo. Ankoatra ny fitsinjovana manokana ireo mpianatra miisa 987 dia zokiolona miisa 110 tao an-toerana ihany noa no notolorama fotsim-bary sy siramamy ary menaka noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Nifarana tamin’ny zoma teo moa ny fianarana roa volana faharoa tamin’ity taona 2021 ity ho an’ny CEG Soamanandrariny ho fiarovana ny mpianatra amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19.
Pati
Legende : Mitovy ny olan’ireo mpianatra eny anivon’ny CEG amin’ny ankapobeny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT