Fampianarana

CEG Lohanandro-Andriambilany Miantso vonjy ny ray aman-dreny


  • Talata 28 Aprily 2020

Manaitra ny tompon’andraikitra, hanohana ny ezaka vitany ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny CEG Lohanandro, ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Andriambilany distrikan’Ambatolampy.

 

 Nahatsangana tranon-tsekoly telo ahitana efitrano fianarana enina misy rano fisotro madio ny fokonolona tao Lohanandro, hialana amin’ny fandehanan’ny ankizy amin’ny halaviran-dalana 9 kilaometatra hamonjy fianarana eny amin’ny CEG Andriambilany tamin’ny taona 2017. Ny talen-tsekoly ihany no niantohan’ny fanjakana saingy nampanantena handray ireo mpampianatra Fram nanampy tao ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena tamin’izany, hanalana ny vesatra ho zakain’ny ray aman-dreny. Manahy amin’ny ho avin’ity sekoly ity anefa ny fokonolona ao amin’ny fokontany Lohanandro ankehitriny satria tsy mbola nisy voaray ho mpiasam-panjakana, araky ny fampanantenana tany am-boalohany, ireo mpampianatra Fram ka mety ho kivy. Tsy mbola nandefa mpampianatra fanampiny any an-toerana anefa ny minisitera ary tsy nomeny fahazoan-dalana hisokatra akory ity sekoly ity hatramin’izao na dia efa mihoatry ny 150 isa aza ny mpianatra ao amin’izao fotoana izao. Miantso ny fanjakana hanohana izao fampiroboroboana ny fanabeazana niezahany izao ny fokonolona ao Lohanandro-Andriambilany, noho izany.

 Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT