Fampianarana

CEG ANOSIBE Mpiadina CEPE miisa 95 tsy tonga


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Nahatratra 95, omaly ireo mpiadina voasoratra anarana tsy tonga nanatrika ny fanadinana CEPE ho an’ny CEG Anosibe, fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra.

 

 

 

Teo am-piantsoana ny maraina  mihitsy izy  ireo dia  efa tsy tonga ka lasa 2.432 sisa ireo nanatrika raha miisa 2.527 ireo mpiadina voasoratra anarana. Nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana, hoy ny lehiben’ny foibem-panadinana Andrianantenaimanantena Davidson. Tsy nisy ny ankizy narary na nanana olana hafa hatramin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana. Nomarihiny manokana fa nahatratra valo ny polisy tonga niambina ity foibem-panadinana iray ity omaly raha roa foana no nahazatra azy ireo hatramin’izay. Ho an’ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy kosa  dia fantatra  fa nizotra tamim-pilaminana izany. Tao amin’ny CEG Ratsimilaho Toamasina no nanokatra izany tamim-pomba ofisialy Rtoa Volahaingo Marie Therese, minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika omaly maraina sady nisantatra ny fanokafana ireo sobika nisy ny laza adina ihany koa. Mikasika ny tambin-karaman’ireo mpampianatra tsy mbola voaloa  dia nomarihin’ity minisitra ity fa efa eo am-panomanana izany izy ireo ka raha vantany vao vonona dia zaraina amin’ireo mpampianatra tsirairay avy.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT