Fampianarana

CCHA Namoaka ny andiany «Iraka Vonona»


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Sady fampahafantarana no fisehoana ampahibemaso. Toy ny isan-taona, nanolotra seho an-tsehatra niavaka, hanehoan` ny mpianatra ny talentany sy ny fahaizana notovozin` izy ireo nandritra ny taom-pianarana ny Cours de Clavier Hery Andriatahina (CCHA).

 

 

 Araka izany, nampahafantarina omaly alahady, tetsy amin` ny Amphithéâtre LTC Ampefiloha, ireo mpianatra aponga maroafitsoka (clavier) miisa 6, izay mitondra ny anarana hoe «Iraka Vonona». Andiany faha-31 ity nampahafantarina ity tao anatin` ny 18 taona nijoroan` ny sekoly CCHA. Ankoatr` izay, nanome hanitra hafa ny lanonana ihany koa ny mozika sy kalo iza noventesin` ny orkestra CLUB CCHA. Mitahiry, mikaroka ary mampita izay rehetra mahakasika ny mozika moa ny sekoly. Azo faritana hoe tahala natao hanomana ny taninketsan` ny zavakanto ity sekoly ity. Ho an` izay manam-paniriana hahafehy ny manodidina ny clavier sy ny feo dia efa misokatra kosa ny fisoratana anarana amin` ny taom-pianarana manaraka eo. Legende: Izy enina mianadahy avy amin` ny andiany «Iraka Vonona»

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT