Fampianarana

« Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi » Hanampiana ireo afaka Bakalôrea sy mitady asa


  • Zoma 21 Jolay 2017

Hotanterahina ny zoma 28 sy ny sabotsy 29 jolay ho avy izao etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba ilay hetsika “ Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi” karakarain’izy ireo.

Olona marobe  no hahazo tombontsoa, hoy Ramatoa Rindra Dupre, tale jeneraly lefitry ny AFT etsy Andavamamba. Lohalaharana amin’izany ireo ankizy vao afa-panadinana Bakalôrea ka mitady toeram-piofanana ambony sy azo antoka hahafahany manohy ny fianarany. Eo ihany koa ireo tanora efa nahavita fianarana mahafehy tsara ny teny Frantsay ka mitady asa. Tsy latsa-danja amin’ireo ny mitady ivontoeram-piofanana fotsiny hahafahany mivoatra sy mandroso amin’ny fiainana. Tranoheva am-polony no handray anjara ao, ahitana sekoly ambony maro sy orinasa manana ny maha azy. Anisan’ny mandray anjara mavitrika ao ny gazety Job fanta-daza amin’ny fanampiana ireo olon-tsotra na orinasa mitady mpiasa hiasa ao aminy raha eo ihany koa ireo mitady asa. Manohana azy ireo akaiky ny Top Radio amin’ny alalan’ilay fandaharana tolotr’asa  mba hipaka mivantana any amin’ireo  mpitady asa ny tolotra misy ho tombontsoan’ny rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT