Fampianarana

Carrefour de la formation, de l`emploi et du métier Ho tanterahana ny 6 sy 7 novambra ho avy izao


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Niantraika nivantana tamin`ny toekarena sy ny sosialy ny fepetra noraisin` ny fanjakana manoloana ny ady ara-pahasalamana, indrindra ny fihibohana. Nikatona avokoa ireo orinasa tsy misy ifandraisan amin` ny lafiny sakafo sy ireo voasokajy ho tena ilaina.

 

 

Niantraika any amin`ny fianam-pirenena sy ny fiainam-panjakana izany satria tsy nihodina ny vola ary tsy niditra ny hetra. Vokany dia maro ireo orinasa voatery nanakatom-baravarana ka tsy afaka niasa hany ka maro ireo tsy an` asa. Araka izany, fotoan-dehibe ho an` ny tanora sy ireo mitady asa ny hetsika toy ny “Carrefour de la formation, de l`emploi et du métier”. Ambohipihaonan`ireo foibem-piofanana sy ny oniversite tsy miankina ary ny orinasa mitady mpiasa io fotoana io. Mandray anjara amin`ny hetsika toy izao mantsy ireo orinasa eto Madagasikara manana tolotr`asa. Natao ihany koa ho an`ireo tanora manana diplaoma na am-pitaiavana fanazaran` asa (stage) ny hetsika toy izao. Sehatra ahafahan` ny tanora vao afa-panadinana bakalorea mijery ireo lalam-pihofanana hanohizany ny fianarany ihany koa ireo andro ireo. Hiditra amin`ny andiany fahaefatra ny “Carrefour de la formation, de l`emploi et du métier” karakarain` ny Alliance Francaise Andavamamba (AFT) ny 6 sy 7 novambra izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT