Fampianarana

CANAL PLUS sy ny Ministeran’ny Fanabeazana Matotra ny fiaraha-miasa


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Manga ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny orinasam-pifandraisana Canal Plus.

Mba hitsinjovana ny tombontsoan’ireo ankizy mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ireo  sekolim-panjakana miisa 20 eto amintsika mantsy dia hanome famamndrihana (abonnement) maimaimpoana ho azy ireo mandritra ny efa-taona ny Canal Plus, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ilay tetikasa « télévision numerique pour l’école ». Ireo  sekoly manana fahitalavitra sy mahazo herinaratra ihany anefa  no hahazo  tombontsoa amin’izany. Tontosa omaly alarobia teny Andraharo, misy ny foiben-toeran’ity orinasam-pifandraisana ity  ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa mifandraika amin’izany nahitana ny minisitra  Rabary Paul an-daniny ary Atoa Jean Francois Duboy, tale jeneralin’ny Canal Plus an-kilany. Ny  hahafahan’ireo sekoly mampiasa ny fifandraisana manerana izao tontolo izao amin’ny alalan’ny Canal Plus no tanjona. Nomarihin’ny minisitra Paul Rabary fa herintaona ihany no omeny ny Canal Plus amin’ny fikarakarana sy ny fikojakojana ny fitaovana. Ny ankoatra izay dia horaisin’ny minisitera an-tanana raha sanatria ka misy fahasimbana, hoy izy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT