CAMPUS MANINDAY TOLIARA

May ny tranon’ny mpianatra, lasa lavenona ny diplaoma


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Trano vita amin’ny tafo tôle iray tao anatin'ny Campus Maninday,

Toliara no may kila forehitra omaly Talata 16 Janoary tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro teo. Lasa lavenona vokatr’izany ny diplaoma sy ireo entana rehetra tao anatin’ilay trano. Na izany aza mba tsy nihitatra ny afo vokatry ny fifanomezan-tanan’ireo mpianatra sy ny sampana mpamonjy voina izay somary tratra aoriana kely vao tonga. Raha ny filazan'ireo mpianatra dia « Court circuit » tamin’ny efitrano nihidy iray no nitarika ny fahamaizana. Tsiahivina moa fa vetivety ihany dia voafehy ny afo. Efa nisy ihany koa ny fampandrenesana natao tamin’ireo tompon’andraikitry ny orinasa JIRAMA nijery akaiky ity court circuit ity izay nambaran’ireo mpianatra fa tena atahorany indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Tsiahivina tokoa moa fa dia ao anatin’ny vanim-potoana filatsahan’ny ranon’orana aza isika dia misy hatrany ny haintrano, antony tokony hitandremana. Vao mainka mampahazo vahana ny afo mantsy ny rivotra mahery entin’ny ranon’orana hoy ny fanazavana raha toraka izany ihany koa ny trano mihidy toy ity nitranga tany amin’ny Campus Maninday ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ravarava tahaka izao ilay trano vita tamin’ny tole !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT