Fampianarana

BICI - IT University Efa fanta-daza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena


  • Sabotsy 23 Septambra 2017

Sekoly iray manofana momba ny teknolojia avo lenta eto amintsika ny IT University eny Andoharanofotsy.

Taorian'ny fitokanana ilay laboratoara  vaovao sy manara-penitra ny alarobia teo  dia nitohy tamin'ny fanatanterahana ilay kaonferansa lehibe momba ny teknolojia avo lenta tetsy amin'ny hotel Carlton Anosy indray ny hetsika omaly, natrehan'ny rektoran'ny sekoly Atoa Robinson Olivier. Nitarika ny kaonferansa  ny profesora Serge Miranda mpanorina ny MBDS (Mobiquité, Bases de Données et intégration de Systèmes), angady nananana ny “Big data” avy any amin'ny oniversiten'i Nice any Frantsa.

 


Nivoitra nandritra izany ny fanazavana sy fampahafantarana ny momba  ny BICI (Bureau International de Consultant Informatique) sy ny asa hiantsorohany ary ny zava-bitany, orinasa iray misahana manontolo ny resaka informatika misy ireo mpianatra sy mpampianatra ao amin'ny IT University. Toraka izany koa ny zava-bitan'ireo mpianatra tamin'ny alalan'ny fikarohana  izay efa naranty sy  nampahafantarana tamin'ny alarobia teo ny ampahany. Nahaliana ny maro tokoa ity kaonferansa ity tamin'ny ankapobeny, indrindra fa ireo tanora. Nambaran'ny Rektora Robinson Olivier fa mahita asa avokoa ireo mpianatra mivoaka ao amin'ny ITU,  ary efa mananika ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy ireo orinasa mandray ny mpianatra avoakany amin'izao fotoana. Hampitomboina ho 100 isan-taona manomboka amin'ny taona ho avy ireo mpianatra havoakan'ity oniversite tsy miankina iray ity.

 


 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT