Fampianarana

Betsiboka Omena lesona sy fanazarana ny mpianatra rehetra


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Nahita hevitra ny sampandraharaham-paritry ny fanabeazana [DRENETP] Betsiboka hanampiana ny mpianatra amin’izao fialan-tsasatra tsy fidiny nateraky ny coronavirus izao.

 

  Efa iray volana tokoa mantsy izay no tsy nandia ny varavaran-tsekoly intsony ny mpianatra ka mila hetsiketsehana kely mba tsy ho very izay fahaizana sy fahalalana efa hananany. Nomen’izy ireo tombony manokana amin’izany ireo mpianatra ao amin’ny taona fahadimy sy fahasivy izay samy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC. Omena fanazarana amin’ny alalan’ny pejy facebook-n’ny DRENETP izy ireo ary omena ny valiny rehetra afaka telo andro. Ireo mpianatra rehetra manerana ny Nosy dia afaka manaraka sy miaina izany avokoa raha araka ny vaovao azo hisorohana ny fahasahiranana mety hitrangana rehefa miverina amin’ny laoniny ny fampianarana. Nomarihin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana moa fa ankoatra ireo ankizy mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana dia omena tombony ihany koa ireo kilasy hafa rehetra ho tombontsoan’ny zaza Malagasy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT