Hanomboka ny 10, 11, 12 septambra ho avy izao ny hetsika Best
Choice University andiany faha 6, karakarain'ny Canal 7 Events etsy amin'ny Hall expo Ankaditoho Tsimbazaza, raha ny fampitàm-baovaon’izy ireo omaly. Efa vonona avokoa ireo sekoly ambony handray anjara amin'ny hetsika, raha ny fanazavàna. Hisitraka tombotsoa marolafy ny mpianatra tonga manatrika ny hetsika, hoy ny mpikarakara, ka manentana ny rehetra voakasika ho avy eny an-toerana amin'ireo fotoana ireo. Anjerimanontolo voasivana, izay efa ampy traikefa sy afaka mamoaka marimpahaizana ankatoavin' ny fanjakàna avokoa no mandray anjara amin'ny hetsika. Hanana tombondahiny manokana ireo tonga eny an-toerana mandritry ny 3 andron'ny hetsika. Hiavaka tanteraka amin'ireo hetsika teo aloha ity andiany faha 6 ity. Hifandimby hanao famelabelarana ny lalampiofanana sy ny mahakasika azy ireo sekoly mandray anjara rehetra. Hanampy betsaka ny tanora amin'ny fanomanana ny hoavy izany. Maimaimpoana ny fidirana ho an'ireo manana tapakila, izay hita ao amin'ny pejin' ny Canal7 Events ho an'ny alarobia, andro voalohan'ny hetsika, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.