Fampianarana

BEPC Antananarivo Nanomboka ny famindrana anaty solosaina ny naoty


  • Talata 11 Septambra 2018

Tanterahina etsy amin’ny CEG Antanimbarinandriana nanomboka omaly ny famindrana anaty solosaina ny naotin’ireo mpiadina tamin’ny fanadinana BEPC notanterahina ny 3 ka hatramin’ny 6 septambra lasa teo.

 

 

 Miisa 28.016 izy ireo tato amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra, izay nitsinjara tamina foibem-pitsarana miisa fito. Mety haharitra herinandro eo, amin’ny ankapobeny io asa famindrana naoty anaty solosaina io satria tsy miasa alina ny mpiasa manatanteraka azy fa voafetran’ny lalàna ny ora sy andro iasana. Nanomboka omaly ihany koa ny adina ara-panatanjahantena BEPC ho an’ny eto an-drenivohitra, ka isaky ny hariva no tonga eny Antanimbarinandriana ny naotin’ny mpiadina mikasika izany, horaketina anatin’ny solosaina miaraka amin’ny naoty azo tamin’ny adina an-tsoratra tamin’ireo taranja samihafa. Misy aorian’izay ny fanitsiana (traitement d’anomalies) aorian’ny fampidirana ny naoty, toy izany koa ny « échantionnage” na fandraisana ny 10% nahodina tafiditra hohamarinina, izay dingana tsy maintsy diavina sady fanao mialoha ny famoahana voka-pifidianana tsy hisian’ny fahadisoana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT