Fampianarana

Bakalorea teny Ampitatafika Mpiambina fanadinana no tratra niketrika laza adin’ny mpianatra


  • Talata 18 Jolay 2023

Nahatratra 34 isa ny fanaovana hosoka sy fikasana hanao hosoka tra-tehaka tao anatin’ny andro voalohany

nanombohan’ny fanadinana bakalorea tao amin’ny faritr’i Sofia, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ankoatra ireo mpiadina nahatrarana taratasy feno lesona saika nandikana valin'ny laza adina dia nahatrarana olona hafa nisolo mpiadina. Tetsy Ampitatafika koa dia ny mpiambina fanadinana na “surveillante” mihitsy no tratra niketrika ny laza adin'ny mpianatra. Raha ny fampitam- baovao azo ihany koa dia tranga mamoha henatra no nisy tetsy amin'ny EPP Analakely satria dia nisy mpiadina nanome 5000 Ariary ireo mpiambina mbola tanora kely, izay voalaza fa mbola mpianatra,dia afaka nijery ny tambazotra “Google” tamin'ny finday nandritry ny taranja anglisy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Mbola manantena hanao toy izay ihany ve izany ireo mpiadina ireo anio? Anaovana antsoavo ireo tomponandraikitra mikarakara ity fanadinana bakalorea ity mba hanamafy ny fahamatorana amin'ny fandrindrana ny fanadinana sy ho hentitra manoloana ireo mpiambina na dia nosambontsamborina sy tsy mbola handray vola aza izy ireo raha tsy afaka roa na telo taona any aoriana, hoy ny fanehoan-kevitrana ray aman-dreny iray. Aleo tsy atao kitoatoa ny fandrindrana ny fanadinana fa manimba sy manakorontana ny sain'ny mpiadina ny zavatra toy izao, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT