Fampianarana

Bakalorea Sainte Famille Mahamasina Mpiadina iray no tojo tsy fahasalamana, 34 no tsy tonga


  • Talata 01 Oktobra 2019

Nahatratra 34 isa ireo mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana Bakalôrea omaly tetsy amin’ny foibem-panadinana Sainte Famille Mahamasina ka ireo nisafidy ny sokajy A2 no betsaka indrindra tamin’ireo izay nahatratra 24 isa.

 

Mpiadina iray ihany koa no tojo tsy  fahasalamana tampoka omaly maraina noho ny “stress”  sy ny tsy fisakafoanana maraina saingy rehefa noraisin’ny infirmiera  dia afaka niverina soa aman-tsara niatrika ny laza adina filôzôfia ihany, izay nisantaran’ireo mpiadina manerana ny Nosy ny fanadinana. Tsy nisy kosa ireo nanadino ny taratasy fiantsoana sy ny mombamomba azy ary nanomboka tamin’ny 07 ora sy sasany katroka ny fanadinana raha araka ny fanazavan-dRakotonirina Toky, lehiben’ny foibem-panadinana ao an-toerana. Nomarihiny manokana fa ho an’ireo mpiadina tsy tonga omaly maraina dia efa naman’ny tsy afaka izy satria efa aotra ny naotin’ny taranja filôzôfiany.  Miisa 980 moa ireo mpiadina voasoratra anarana hiatrika ny fanadinana Bakalôrea ao amin’ity foibem-panadinana iray ity, miparitaka amina efitranom-panadinana 35 isa. Roa isaky ny efitrano ny mpiambina izay marihina fa tonga avokoa. Ny taranja matematika sy Malagasy no hatrehin’ireo mpiadina anio talata  raha ny fizika sy ny histo-géo kosa rahampitso a0larobia. Miisa 174.750 ireo kandida voasorattra anarana  niatrika ny fanadinana Bakalôrea tamin’ity taona ity. Ny 111.957 no nisafidy ny sokajy(A2), ny 35.606 ny sokajy  (D), ny 13.200 ny sokajy (A1) ary ny 4.290 no nisafidy ny sokajy C.  Miisa 9.698 ireo miatrika ny baka teknika ka  88 taona no zokiny indrindra raha 11 taona no zandriny indrindra.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT