Bakalorea

Nilamina ny andro voalohany


  • Talata 23 Jolay 2024

Nizotra am-pilaminana tamin’ny ankampobeny ny fanadinam-panjakana bakalorea nanerana an’i Madagasikara,

na nisy aza ireo olana efa nialohan’ny fotoana, toy ny fisiana mpianatra tsy afaka niatrika izany toy ny tao Toamasina sy Mandritsara. Miisa 218 359 ny mpiadina manerana ny Nosy, mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 413. Ho an’ny teto Antananarivo Renivohitra, mpiadina 40 isa tamin’ny 1755 no tsy tonga tetsy amin’ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo na ny LJJR. Efa voahilika tsy ho afaka manohy ny fanadinana intsony izy ireo, raha ny lalàna mifehy ny fanadinana, hoy ny Lehiben’ny Foibem-panadinana. Henjana ny fepetra toy ny tsy fahafahana mitondra finday, savaina mialohan’ny hidirana amin’ny efitranom-panadinana, hoentina eo anoloan’ny fitsarana ireo tratra manao hosoka,… Tsy misy kosa ny vahaolana mikasika ny fahatapahan-jiro, saingy miezaka izahay ny hahatontosa azy an-tsakany sy an-davany, hoy ny Lehiben’ny foibem-panadinana tao amin’ny LJJR. Ho an’ny faritra hafa, nosafidian’ny manam-pahefana notsidihina manokana ny foibem-panadinana Lycée Ambodimotso-Sud tany Befandriana Avaratra noho izy matetika andrenesana hosoka na « fraude ». Mpiadina mïsa 853 no voasoratra anarana hiatrika ny fanadinana, ka 33 tamin'izy ireo no tsy tonga. Andaniny, nisy ny antso nataon’ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mpislo toerana Fidiniavo Ravokatra omaly. Niantso ny rehetra ho tony sy hilamina. Nambara fa nohamafisina ny fandraisana andraikitra amin’ny maha sarobidy ny fanadinana bakalorea. Tsy misy laza adina miparitaka, efa nohamarinina fa sandoka avokoa ireny mivoaka amin’ny tambajotran-tserasera ireny, hoy io Minisitra io.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT